toisuismoi/ Manaraha Ahy

toisuismoi/ Manaraha Ahy

Ilay kihon-dalana tsy azo ihodivirana

 

Ilay kihon-dalana tsy azo ihodivirana

 

 

Ny fiteny hoe “ilay kihon-dalana tsy azo ihodivirana” dia manondro teboka iray izay tsy ahafahana miova hevitra intsony. Ampiasina indrindra io voambolana io amin’ny fitondrana fiaramanidina, nefa na ny olombelona aza dia ho tody koa eo amin’io teboka io.

Amin’ny fiainana dia roa ihany no lalana isafidiananao aleha : na ny mankany amin’Andriamanitra na ny manalavitra Azy. Raha  tsy mbola tafahoatra ilay kihon-dalana, dia mbola afaka atao ihany ny miova lalana.

Nandritra ny fisakafoanana indray hariva  izay niarahana tamin’ny Mpanjaka Frédéric Le Grand, ny filôzofy Voltaire dia nandany io takariva io tamin’ny kivazivazy manohitra ny fivavahana Kristiana. Rehefa tapitra ny sakafo , dia niantso mafy izy hoe:”Vonona aho hivarotra ny anjarako any amin’ny paradisa amin’ny “Thaler “iray(vola io)”. Nisy manamboninahitra zokiolona iray, izay tsy niteniteny mihitsy teo, namaly:”Andriamatoa, porofoy amiko hoe fa manana toerana marina ao amin’ny paradisa ianao, fa hovidiko izao dia izao ihany izany”.Teo anefa dia tsy afaka nampihomehy ireto mpamazivazy ireto intsony Voltaire fa nampisaina azy ireto lalina ilay valinteny feno fahendrena. Nony tonga ny ora farany ho an’ity filôzofy ity, ka nisokatra nanoloana azy ny mandrakizainy, dia nihiakiaka tamim-pahakiviana Voltaire. Notantarain’ilay mpitsabo azy ny  fialany aina, ary nambarany fa tena mampivarahontsana ka tsy mampite-hanatrika intsony ny fahafatesana toa izany. Voltaire izay nihevi-tena ho hendry ka nandany ny fiainany tamin’ny fanarabiana an’Andriamanitra, dia tonga teo amin’ilay kihon-dalana tsy azony ihodivirana intsony. Tsy mba nanana fibebahana kely akory izy, hany ka nampihoro-koditra azy ny fahitana ny mandrakizainy.

Hoy ny Baiboly :”Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana”.(Hebreo 9:27)

Matetika ianao no mandre ny fahafatesan’ny havana iray.Nanatrika ny fandevenana sy nampionona ny fianankaviana ianao. Ary tamin’izany dia nisy bitsika renao, izay voasarona vetivety foana tamin’ny tabataban’ny fiainana andavanandro. Io ilay fanotaniana mikasika ny ora farany, eo amin’ny fiainanao manokana, ilay fanontaniana momba ny fahafatesanao sy ny manaraka azy.

Nohenoinao ve io feo io, sa nieritreritra ianao fa tsy mikasika anao izany, ary ny fahafatesana dia natao ho an’ny hafa ihany…?

Nanambara Jesosy Kristy:”Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao nefa very ny ainy?”(Matio 16:26)

Izany indrindra no mampahavesa-danja ity fanontaniana ity eo amin’ny fiainanao: “Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?”(Asa 16:30)

Ny valiny voalohany indrindra dia izao:”minoa an’I Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao”.Asa 16:31

Ny hany lalana tokana azo aleha dia voalaza ao anatin’ny Baiboly: ”Izaho no làlana sy fahmarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”.(Jaona14:6)

Jesosy no Làlana, Jesosy no Fiainana, Jesosy no Fahamarinana. Izy irery ihany no afaka mamonjy anao. Miantso anao Izy anio amin’ny alalan’ity trakitra ity, imbetsaka Izy no efa niantso anao fa tsy nety nihaino Azy ianao.

Noho izany mba tsy ho tara loatra dia valio ny Fitiavany anao, manaraha Azy, fidio ny lalana tsara, fidio ny Fiainana!

“Midira amin’ny vavahady ety hianao; fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy”( Matio 7: 13-14)

Araky  F.König

Nofintinin’ny fikambanana « Manaraha Ahy »

 

 

 

Contact en français et en anglais

 

032 48 471 93

 

Fifandraisana @ teny malagasy

 

033 81 344 99

 

Siège social : Lot 128 bis Parcelle 12/14 Tanamakoa

-501- TOAMASINA

 

E-mail: toisuismoi@yahoo.fr

 

 

 

 



29/01/2013
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Ces blogs de Religion & Croyances pourraient vous intéresser

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 13 autres membres